FLM Marseille

Plan du site                               

FLM Marseille

Contact                                   

FLM Marseille

Liens utiles                                

FLM Marseille

Se rendre à l'Eglise                     

Eglise Luthérienne Malgache de Marseille

Synoda FLM Eoropa (SP-FLME)

Fileovana Marseille

Fitandremana Marseille

Fiangonana Marseille

FLM Marseille

Pastora

06 28 32 93 75

 

Katekista

07 86 60 04 16

 

Formulaire & Mails

Liens utiles

Toby Pouru Saint Rémy

Construction du Toby

 

Eglises du Fileovana Marseille

FLM Montpellier

FLM Genève 

FLM Mazargues

FLM Toulouse

FLM Marseille

FLM Marseille

Chapelle Sainte Claire

Rue Cade Mouton

13014 Marseille

 

Bus 38 - 33 Cade Mouton

TER Picon Busserine

FLM Marseille

Accueil

Toriteny

Galerie

Contact

FLM Marseille

SALOMA

KTLM

FIFIL

FBL

FDL

Jesosy Irery Ihany

ACCUEIL
TORITENY
SALOMA
KTLM
Fifohazana
FBL
FDL
Galerie
Contact

Toriteny Pastora FLAVIEN (22/03/2020)


Ry havana ao amin' ny Tompo,
            Fifaliana hoahy hatrany ny mamangy anareo isan- tokatrano, no mirary indrindra fahasalamana sy fifaliana eo an- dalam- piainanareo andavan' andro, eo ambany fitondran' i Jesosy Tompontsika, Ilay velona. 
 Alahady ny andro ampitso maraina, dia tiako ny mamangy anareo, sy manolotra andalan- tSoratra Masina sy famelabelarana tenin' Andriamanitra.                         
 Ny anjara teksta hoantsika ampitso, araka ny maha- alahady fahatelo alohan' ny Paska, dia araka ireto manaraka ireto, dia ny voarakitra ao amin' ny perikopantsika.

Ny Testamenta Taloha: Isaia 49. 8 - 14,
Leksiona (i.e. vakiteny): Salamo 84. 1 - 4,
Filazantsara: Jaona 6. 52 - 65,
Toriteny: Jaona 6. 52 - 65 

            Araka izao manaraka izao ny mombamomba ny tekstan' ny toritenintsika. Efa akaiky ny hankalazana ny Paska. Afaka telo herinandro izany. Mafy ny hanjo ny Tompo. Hiaritra fahoriana mangidy indrindra sy henatra tsy hay tononina Izy. Ny " tarehiny dia simba ka ohatra ny tsy tarehin' olombelona akory" (Isaia 52.14). Hahagaga ny maro izany; ary maro ny hotafintohina amin' ny fahoriana entiny. Efa nambara mialoha ny Israely anefa izany araka ireo teksta momba Ilay Mpanompon' Andriamanitra hitondra fijaliana, - ary dia noho ny amintsika ihany anefa ny antony (Isaia 49 ; 50. 4man.; 52. 13 - 53. 1-12). 
Ilay hijaly sy hitondra fahoriana sy fangirifiriana mafy amin' ny Zoma masina, dia tsy hafa, fa " Ilay Mpaminany " toa an' i Mosesy ihany, Izay hirahin' i Jehovah hoamin' ny Israely hampitondrainy ny teniny ( Deo. 18. 15 - 19, Ampit. Jao. 6. 14 ). Iraka avy any ambony Izy; nasian' ny Ray tombokase. Avy any ambony, feno hery sy fahefana; nefa indray nisetrasetrana sy nampahoriana. Noho izany, dia maro no alaim- panahy tsy hino Azy hoavy amin' Andriamanitra. 
Manoloana izany, dia nalamin' ireo raiamandrenintsika teo aloha ny teksta ananantsika androany hampisehoana ny personan' Ilay hijaly io, fa Andriamanitra tokoa Izy; ary amin' ny alahady heriny indray, dia hasehon' ny teksta amin' izany fatena olombelona Izy, zanak' i Maria virjina; olombelona tsy nanana ota, haka ny toerantsika, hisolo antsika, hitondra ny famaizana rehetra anjarantsika. Hofaty Izy, araka izany; nefa araka ny teksta amin' ny alahady manaraka an' io, dia ny Paska izany, hitsangana amin' ny maty Izy; noreseny ny herin' ny fahafatesana. Tsy nanan- tsiny Izy; neken' ny Ray ny avotra nentiny; koa dia nitsangana Izy hofanamarinana antsika; sady tsy holaitran' ny fasana hohazonina rahateo, fa Andriamanitra velona.
            Eto amin' ny teksta anjarantsika ho toriteny anio, dia miseho tokoa ny hery maha Andriamanitra an' i Jesosy; fa namoky ny dimy arivo lahy tamin' ny mofo dimy sy ny hazandrano roa Izy; ary mbola nisy roa ambin' ny folo sobiky koa aza ny ambiny sisa tsy lany. Nahafaly an' ireo vahoaka nihinana izany, ka nifampidinika ry zareo, ary nanapa- kevitra fa hametraka an' i Jesosy ho mpanjakany, mba tsy hosahirana amin' ny hanina intsony izy; fa io tokoa, hoy izy, Ilay " Mpaminany nampanantenaina", araka ny voalazan' i Mosesy. 
Resy lahatra ry zareo tamin' ny famantarana nataon' i Jesosy; nefa dia nandray vilana ny hevitry ny famantarana nampanaovin' ny Ray ny Tompo. Na dia nanazava ny amin' ny personan' ny tenany manokana aza Jesosy, dia vao mainka niteraka aizina tamin' ireo mpihaino Azy anefa izany; satria tsy mba nandray ny tenin' ny Tompo ho " fanahy sy fiainana" ry zareo, fa nisaina ny amin' ny tany; tsy nihevitra hafa tsy ny nofo sy ny hanina hohanina; fa tsy mba nihevitra ny amin' ny fanahiny, mbamin' ny zavatra maharitra ho fiainana mandrakizay. Tonga fahatafintohinana tamin' ny maro tamin' izy ireo aza ny teny nambaran' ny Tompo taminy mombamomba ny personany.
            Ny fahazoan- kanina, ka voky no nahafapo azy; ary dia hanantena hahazo izany maimaim- poana isan' andro, toy ny nisy tamin' ny razany tany an' efitra, nomen' i Mosesy an- dry zareo, - araka ny teniny. Jesosy tenany anefa nilaza, fa tsy Mosesy no nanome azy ireo izany mofo izany nandritra ny efapolo taona, fa ny Rainy izay any an- danitra. Ary koa, izay nihinana an' iny mofo iny, dia mbola ho noana ihany, sy hofaty ihany; fa izay hihinana ny mofo velona midina avy any an-danitra, Izay asian' ny Rainy tombokase, dia Jesosy tenany izany, izy no hanana fiainana mandrakizay, araka ny tonom- bavaka nataon' i Jesosy hoe: " Araka ny nanomezanao Azy fahefana amin' ny nofo rehetra mba hanome fiainana mandrakizay izay rehetra nomenao Azy " ( Jao. 17. 2 ).
Rehefa voky ireo vahoaka ireo, dia lasa nitady an' i Jesosy, izay efa niala teo, ka nahita Azy tany Kapernaomy, dia nahita Azy tokoa, nefa " tsy noho ny nahitany famantarana", izay nataon' i Jesosy, araka ny voatendrin' Andriamanitra sy nomeny azy ireo mba hinoany, fa tena Iraka nomen' ny Ray azy tokoa Izy, araka ny voalazan' i Mosesy tamin' ny razany, mba hitondra ny teniny aminy hamonjena ny fanahiny. Tsy nanome toerana amin' ny fiheverana ny fanahiny anefa ireo olona ireo, fa ny hahavoky azy ihany no tao an- tsainy. Mbola hita amin' olona maro mandraka ankehitriny izany. Maro no tsy mihevitra ny maha olona mitondra ny endrik' Andriamanitra azy, sy ny anto- pisiany eto an- tany; fa " misaina ny amin' ny tany izy, ary ny kibony ihany no andriamaniny. " ( Filip. 3. 18 - 19 ). Tsy vitsy koa ny olona tsy mba misaintsaina ny antony naharian' Andriamanitra azy, sy ny hoavy miandry azy izay tsy hohainy hidifiana, na dia olona sasany izay efa miditra am- piangonana aza. Tsy manome anjara firy ny amin' ny fikarakarana ny fanahiny izy.

Toriteny Pastora FLAVIEN (Alahady 22/03/2020)

Tsy mba heveriny ny antom- pisian' ny fanahiny, izay voatendry hoamin' ny zavatra ambony sy maharitra mandrakizay, izay tsy mety hoafa- po ny amin' ny zavatry ny tany; fa voavoatra sy voatendry hanana firaisana amin' Andriamanitra niaviany izy; koa raha tafasaraka aminy dia hahantra, hangetaheta mafy sy hofaty. Tsy hahafa- po azy ny zavatra na inona na inona eto an- tany; fa ny zava- panahy, araka an' Andriamanitra ihany, no hahafa- po sy hahavelona azy. Raha hatodika amin' ny zavatra hafa izy, dia tena fahadisoan- dalana, ka hahantra sy hofaty. Andriamanitra sy ny teniny ihany no iriny sy hahafa- ketaheta azy.
         
      Ny hanina tadiavin' olona ireto sy isasarany, dia ilaina tokoa; saingy tsy maharitra; hiara levona amin' ny tena, izay tsy maharitra koa izy. Koa dia aleo miasa hahazo ny hanina izay haharitra ho fiainana mandrakizay, hoy ny Tompo.
Milaza koa anefa ireto vahoaka ireto fa tsy fantany izay asan' Andriamanitra tokony hataony. Dia nambaran' i Jesosy azy, fa ny hinoany Izay nirahiny ho eo aminy izany.
Na dia efa nahita ny famantarana nataon' i Jesosy teo aza ry zareo, dia mbola mila hanehoana famantarana hafa indray izy; dia toy toy ny famantarana lehibe nataon' i Mosesy tamin' ny razany nandritra ny efapolo taona. Navalin' i Jesosy azy, fa tsy i Mosesy no nanome azy ny mofo; fa ny Rainy Izay any an- danitra; ary izany Rainy Izay any an- danitra izany no manome azy ny tena mofo avy any an- danitra, dia Jesosy tenany izany. Fa " ny mofon' Andriamanitra, dia Ilay midina avy any an- danitra ka manome fiainana hoan' izao tontolo izao." " Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako no manana fiainana mandrakizay, ary Izaho hanangana azy amin' ny andro farany", hoy Jesosy taminy. Ary " tahaka ny nanirahan' ny Ray velona Ahy, ary Izaho koa velona ao amin' ny Ray, dia tahaka izany koa, izay mihinana Ahy no hovelona amiko" , hoy Izy. " Fa ny nofoko no tena fihinana, ary ny rako no ena fisotro", hoy Izy. Ary ny amin' ny tenany koa, dia Izy no " mofo izay nidina avy tany an- danitra; tsy tahaka ny razana izay nihinana, nefa maty ihany; fa izay mihinana ity mofo ity, dia hovelona mandrakizay", hoy Izy.
Rehefa tsy mino ny olona, na dia efa mahita famantarana voatendrin' Andriamanitra aza, dia mbola mitady famantarana hafa hatrany; ary farany dia lasa mafy fo sy maizin- tsaina. 
Efa nifikitra amin' ny hanina eto an- tany mafy ny fon' ireto olona ireto, ka raha hanina hahavoky azy no homen' ny Tompo azy, dia vonona hihaino sy hanaraka Azy izy. Navalin' i Jesosy azy anefa, fa ny tenany no mofon' ny fiainana. Izay manatona Azy tsy mba ho noana; ary izay mino Azy, dia tsy mba hangetaheta intsony. Ny fanahy manatona Azy ka mino Azy, dia hovoky sy hoafaka hetaheta, tahaka ny tena mahazo hery sy fiainana amin' ny fihinanan- kanina. Hoafaka ny hanohanana sy ny hetahetan' ny fanahy, rehefa tonga ao am- po Jesosy, dia tahaka ny hanina rehefa tonga ao amin' ny tena koa. Tsy olombelona fotsiny Jesosy avy any Nazareta, fa Andriamanitra nisiam- piainana sy nahariana ny zavatra rehetra; fa tonga nofo Izy hanangana antsika hoafaka amin' ny fahotana sy ny fahaverezana mandrakizay. Iraky ny Ray eto an- tany Izy Zanaka Lahy Tokan' Andriamanitra, Izay efa " Izy " fony tsy mbola ary ny fanorenan' izao rehetra izao. Izy sy ny Rainy dia iray ihany; ary izay nahita Azy, dia nahita ny Ray. Fa " tahaka ny Ray manana fiainana hoazy, dia tahaka izany koa ny Zanaka nomeny hanana fiainana hoazy"; " Fa toy ny Ray manangana sy mamelona ny maty, dia tahaka izany koa no ameloman' ny Zanaka izay tiany"; ary " nomeny fahefana hitsara Izy, satria Zanak' Olona" (Jao. 5. 21 - 28 ).
Nahita sy nandre ireto olona ireto, nefa tsy nino. Mahita sy mahalala, nefa tsy mino, dia toetra mahavery tokoa tsy hananana fiainana mandrakizay.
            Tsy ny vatantenantsika ihany ry havana no mila ny hanina hahavelona azy; fa ao indrindra koa ny fanahintsika noharin' Andriamanitra sy voatendriny tsy hoamin' ny zavatry ny tany, fa voatendriny hovelona amin' ny firaisana Aminy. " Fofon' aina " avy amin' Andriamanitra no niaviany; ka tsy hisy zavatra ety an- tany hahafa- ketaheta azy, hafa tsy ny firaisany amin' Andrianitra. Mila ny teniny izy hahafa- ketaheta sy hahavelona azy. Ny Tenin' Andriamanitra ihany no sakafo ilainy sy tandrify azy, dia Jesosy Tompo, Tenin' Andriamanitra velona. Ny fanahy izay mandray izany hanina izany ihany no hovelona. Koa dia asa tokony hatao sy hotadiavina fatratra mihoatra ny zavatra hafa rehetra rehetra izany. Na ilaina aza ny an' ny nofo, dia zavatra mandalo sy holevona ihany izany. Koa dia aoka hosainina sy hokatsahina ny zavatra any ambony any amin' izay itoeran' i Kristy; fa tsy ny zavatry ny tany izay mandalo sy holevona ihany; ary rehefa hiseho Kristy fiainantsika, dia hiara- hiseho Aminy koa amin' ny voninahitra isika. Iadio ry havana ny ady tsaran' ny finoana. Aoka hanezaka hisisika; ka idiro ny vavahady ety sy ny lalana tery, ka rombahy amin- kery. Tano ny finoana ho ampinga, ary ny tenin' Andriamanitra ho sabatry ny fanahy; fa ny zavatra rehetra eto an- tany, dia handalo sy holevona avokoa, fa ny tenin' ny Tompontsika no haharitra mandrakizay.
Hoazy irery ihany anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay.

Amena 
Paginas web creada con SiteW